Numbers 24:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hitako Izy nefa tsy ankehitriny. Tazako Izy nefa tsy akaiky. Misy kintana miseho avy amin’i Jakoba ary tehim-panjakana miposaka avy amin’Israely ka manapotika ny fihirifan’i Moaba sy ny karandohan’ireo mpitabataba rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hitako izy, fa tsy toy ny ankehitriny, Tazako izy fa tsy mba akaiky. Misy kintana iray miposaka avy amin’i Jakôba, Tehim-panjakana iray mitsangana avy amin’i Israely. Mandrava an’i Moaba eo an-daniny roa izy, Ary mandringana ny zanaky ny fitabatabana rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Izao no hitako, saingy tsy mbola ankehitriny no hisehoany; izao no tazako, saingy mbola any aoriana lavitra no hitrangany; Misy kintana mipoitra avy amin’ny taranak’i Jakôba, misy mpanjaka mipongatra avy amin’ny Israelita ka ny tehim-panjakàny no mamely ny fihirifan’ny Môabita sy ny lohan’ny mpanakorontana rehetra.
Malagasy Bible 1865
Hitako Izy, nefa tsy ankehitriny; tazako Izy, nefa tsy akaiky; misy kintana miseho avy amin'i Jakoba sy tehim-panjakana miposaka avy amin'Isiraely ka mandrava ny sisin-tanin'i Moaba Ary mandringana ny mpitabataba rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hitako Izy nefa tsy ankehitriny. Tazako Izy nefa tsy akaiky. Misy kintana miseho avy amin’i Jakoba ary tehim-panjakana miposaka avy amin’Israely ka manapotika ny fihirifan’i Moaba sy ny karandohan’ireo mpitabataba rehetra.
malagasy