Numbers 24:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tahaka ny lohasaha misandrahaka, tahaka ny saha ao amoron’ny ony, tahaka ny hazo manitra nambolen’NY TOMPO, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Midadasika toa lohasaha, Tahaka ny zaridaina amoron’ny ony, Tahaka ny aloesy nambolen’i Iaveh, Tahaka ny sedera amoron-drano!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa toa ranon-driaka mihanaka izy ireny, mandrobona tahaka ny zaridaina amoron’ny ony, velombelona tahaka ny sahondra na ny sedera nambolen’ny TOMPO teo amoron’ny sakeli-drano,
Malagasy Bible 1865
Tahaka ny lohasaha malalaka, tahaka ny saha ao amoron'ony, tahaka ny hazo manitra nambolen'i Jehovah, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tahaka ny lohasaha misandrahaka, tahaka ny saha ao amoron’ny ony, tahaka ny hazo manitra nambolen’NY TOMPO, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano.
malagasy
Tahaka ny lohasaha malalaka, tahaka ny saha ao amoron'ony, tahaka ny hazo manitra nambolen'i Jehovah, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano.