Numbers 24:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mikoriana avy amin’ny sininy ny rano ary ny voa afafiny dia tondrahin’ny rano betsaka. Hisandratra noho i Agaga ny mpanjakany ary handroso voninahitra ny fanjakany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mitobaka ny rano amin’ny sisiny roa, Ny taranany mitombo eo amoron’ny rano be dia be; Ny mpanjakany misandratra ambonin’i Agaga, Ary ny fanjakany mandroso voninahitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
mitobaka toy ny rano avy amin’ny fanovozana ka manondraka tsara ny saha voafafy. Mahery noho i Agaga ny mpanjaka israelita ka hihamatanjaka hatrany ny fanjakany.
Malagasy Bible 1865
Hisy rano mandeha avy eo amin'ny sininy, ary ny taranany ho any amoron'ny renirano maro. Hisandratra noho Agaga ny mpanjakany, ary handroso voninahitra ny fanjakany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mikoriana avy amin’ny sininy ny rano ary ny voa afafiny dia tondrahin’ny rano betsaka. Hisandratra noho i Agaga ny mpanjakany ary handroso voninahitra ny fanjakany.
malagasy
Hisy rano mandeha avy eo amin'ny sininy, ary ny taranany ho any amoron'ny renirano maro. Hisandratra noho Agaga ny mpanjakany, ary handroso voninahitra ny fanjakany.