Numbers 25:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa nandrafy anareo tamin’ny fitaka nataony izy, tamin’ny namitahany anareo tamin’ilay raharahan’i Peora sy i Kosby anabavin’ireo, zanakavavin’ny andriandahy midianita iray, izay novonoina tamin’ny andron’ilay areti-mandringana noho ny amin’i Peora.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa niseho ho fahavalonareo tamin’ny nataony anareo, raha nanangoly anareo tamin’ny hafetseny izy; ary i Fogôra no nentiny hanao izany, sy Kozbì koa, zanaka vavin’ny lehibe anankiray any Madiàna, anabaviny, izay novonoina tamin’ny andron’ny loza nitranga noho ny amin’i Fogôra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
fa fahavalo mpamitaka anareo tamin’ny raharahan’i Pehôra sy tamin’ny raharahan’i Kôzbỳ izay zanakavavin’ny manampahefana midianîta anankiray, ka maty novonoina tamin’ny andron’ny areti-mandringana vokatry ny raharahan’i Pehôra.
Malagasy Bible 1865
fa izy nandrafy anareo tamin'ny fanangoleny, izay nanangoleny anareo tamin'ny an'i Peora sy Kosby anabaviny, zanakavavin'ny andriandahy Midianita anankiray, izay novonoina tamin'ny andron'ny areti-mandringana noho ny an'i Peora.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa nandrafy anareo tamin’ny fitaka nataony izy, tamin’ny namitahany anareo tamin’ilay raharahan’i Peora sy i Kosby anabavin’ireo, zanakavavin’ny andriandahy midianita iray, izay novonoina tamin’ny andron’ilay areti-mandringana noho ny amin’i Peora.
malagasy