Numbers 25:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Alao ny loholona rehetra ary ahantòny tandrifin’ny masoandro eo anatrehan’NY TOMPO ireo nijangajanga ireo mba hitsahatra ny firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO amin’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Vorio daholo ny filohan’ny vahoaka rehetra, ka ahantòny tandrifin’ny masoandro, eo anatrehan’i Iaveh, ireo ratsy, mba hitsaharan’ny firehetan’ny fahatezeran’i Iaveh amin’i Israely.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Alao ny filohan’ny vahoaka; dia eo anoloako no anantony azy manatrika ny masoandro, mba hampitony ny fahatezerako mirehitra aminareo Israelita.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Alao ny loholona rehetra, ary ahantòny tandrifin'ny masoandro eo anatrehan'i Jehovah ireo nijangajanga ireo, mba hitsaharan'ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah amin'ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Alao ny loholona rehetra ary ahantòny tandrifin’ny masoandro eo anatrehan’NY TOMPO ireo nijangajanga ireo mba hitsahatra ny firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO amin’ny Israely.
malagasy