Numbers 25:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary indro, avy ny iray tamin’ny Zanak’Israely nitondra vehivavy midianita teo amin’ny rahalahiny, teo imason’i Mosesy sy teo imason’ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo, izay nitomany teo amin’ny varavaran’ny tranolay fihaonana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary inty nisy lehilahy anankiray amin’ny zanak’i Israely tamy mitari-behivavy Madianita anankiray nankeo amin’ny rahalahiny, teo imason’i Môizy sy ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, izay nitomany teo amin’ny varavaran’ny trano lay fihaonana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay fotoana izay, dia nisy lehilahy israelita iray nitondra vehivavy midianita hankeo amin’ny mpiray foko aminy, teo imason’i Mosesy sy ny Fiangonana israelita manontolo izay nitomany teo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana.
Malagasy Bible 1865
Ary, indro, avy ny anankiray tamin'ny Zanak'Isiraely nitondra vehivavy Midianita teo amin'ny rahalahiny, teo imason'i Mosesy sy ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, izay nitomany teo amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary indro, avy ny iray tamin’ny Zanak’Israely nitondra vehivavy midianita teo amin’ny rahalahiny, teo imason’i Mosesy sy teo imason’ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo, izay nitomany teo amin’ny varavaran’ny tranolay fihaonana*.
malagasy
Ary, indro, avy ny anankiray tamin'ny Zanak'Isiraely nitondra vehivavy Midianita teo amin'ny rahalahiny, teo imason'i Mosesy sy ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, izay nitomany teo amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.