Numbers 26:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Zelofada, zanak’i Hefera, dia tsy mba nanan-janakalahy fa zanakavavy ihany, ary ny anaran’ny zanany vavy dia i Mahala, i Noa, i Hogla, i Milka ary i Tirza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Salfaada, zanak’i Hefera tsy nanan-janaka lahy, fa zanaka vavy ihany; ka ireto no anaran’ny zanaka vavin’i Salfaada: Maalà, Nôà, Heglà, Melkà ary Tersà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Tselôfahàna zanakalahin’i Hefera, tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany ka ireto avy no anarany: i Mahelà, Nôhà, Hôglà, Milkà ary Tiritsà.
Malagasy Bible 1865
Ary Zelofada, zanak'i Hefera, tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary ny anaran'ny zanakavavin'i Zelofada dia Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Zelofada, zanak’i Hefera, dia tsy mba nanan-janakalahy fa zanakavavy ihany, ary ny anaran’ny zanany vavy dia i Mahala, i Noa, i Hogla, i Milka ary i Tirza.
malagasy
Ary Zelofada, zanak'i Hefera, tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary ny anaran'ny zanakavavin'i Zelofada dia Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza.