Numbers 26:62 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izay voaisa taminy dia telo arivo sy roa alina, dia ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra; fa tsy niaraka nisaina tamin’ny Zanak’Israely izy ireo satria tsy mba nomena zaratany teo amin’ny Zanak’Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra voaisa tamin’izy ireo dia 23.000. Fa tsy mba anatin’ny voaisa tamin’ny zanak’i Israely izy ireo, satria tsy mba nomena zaratany teo afovoan’ny zanak’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny fitambaran’ny lehilahy levita rehetra nihoatra ny iray volana dia 23 000. Tsy niara-natao fanisana tamin’ny Israelita izy, satria tsy mba nomena zaratany teo anivon’ny Israelita.
Malagasy Bible 1865
Ary izay voalamina taminy dia telo arivo amby roa alina, dia ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra; fa tsy niaraka nalamina tamin'ny Zanak'Isiraely izy, satria tsy mba nomena zara-tany teo amin'ny Zanak'Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izay voaisa taminy dia telo arivo sy roa alina, dia ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra; fa tsy niaraka nisaina tamin’ny Zanak’Israely izy ireo satria tsy mba nomena zaratany teo amin’ny Zanak’Israely.
malagasy