Numbers 26:64 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ireo dia tsy nahitana olona avy tamin’izay efa voaisan’i Mosesy sy i Arona mpisorona tamin’izy nanisa ny Zanak’Israely tany an-tany efitr’i Sinay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izy ireo, dia tsy nisy na dia iray aza anisan’ny zanak’i Israely, izay efa nisain’i Môizy sy i Aarôna mpisorona tany an’efitra Sinaia.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izy ireo dia tsy nahitana na iray aza tamin’izay efa voaisan’i Mosesy sy i Aharôna mpisorona tamin’ny fanisàm-bahoaka natao tamin’ny Israelita tany an-taniefitr’i Sinay,
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ireo dia tsy nisy olona avy tamin'izay efa voalamin'i Mosesy sy Arona mpisorona tamin'izy nandamina ny Zanak'Isiraely tany an-efitr'i Sinay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ireo dia tsy nahitana olona avy tamin’izay efa voaisan’i Mosesy sy i Arona mpisorona tamin’izy nanisa ny Zanak’Israely tany an-tany efitr’i Sinay.
malagasy
Ary tamin'ireo dia tsy nisy olona avy tamin'izay efa voalamin'i Mosesy sy Arona mpisorona tamin'izy nandamina ny Zanak'Isiraely tany an-efitr'i Sinay.Fa Jehovah efa nilaza azy hoe: Ho faty any an-efitra tokoa ireo. Koa dia tsy nisy olona sisa tamin'ireny afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone, sy Josoa, zanak'i Nona, ihany.