Numbers 26:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny zanak’i Eliaba dia i Nemoela sy i Datana ary i Abirama. Ireo dia ilay Datana sy i Abirama, olom-boafidin’ny fiangonana, izay nila ady tamin’i Mosesy sy i Arona, teo amin’ny antokon’i Kora, raha nila ady tamin’NY TOMPO izy,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Zanak’i Eliaba dia i Manoela sy i Datàna ary i Abirôna. Ireo ilay Datàna sy Abirôna, isan’ny mpanolo-tsaina, nikomy tamin’i Môizy sy i Aarôna tanatin’ny tarik’i Kôre, fony izy nikomy tamin’i Iaveh,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
izay rain’i Nemoela sy i Datàna ary i Abirama. Ireo Datàna sy i Abirama ireo no solotenan’ny Fiangonana izay nanohitra an’i Mosesy sy i Aharôna; niaraka tamin’ny tarik’i Kôra izy roa lahy raha nikomy tamin’ny TOMPO izy ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary ny zanak'i Eliaba dia Nemoela sy Datana ary Abìrama. Ireo dia ilay Datana sy Abìrama, olom-boafidin'ny fiangonana, izay nila ady tamin'i Mosesy sy Arona, teo amin'ny antokon'i Kora, raha nila ady tamin'i Jehovah izy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny zanak’i Eliaba dia i Nemoela sy i Datana ary i Abirama. Ireo dia ilay Datana sy i Abirama, olom-boafidin’ny fiangonana, izay nila ady tamin’i Mosesy sy i Arona, teo amin’ny antokon’i Kora, raha nila ady tamin’NY TOMPO izy,
malagasy