Numbers 27:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa nandà ny teniko ianareo tany an-tany efitra Zina, tamin’ilay nilan’ny fiangonana ady ka tsy nanamasina Ahy teo amin’ny rano teo imasony. Izany no ranon’i Meriba, any Kadesy, any an-tany efitra Zina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
satria ianareo tany amin’ny efitra Sina, ilay nilan’ny fiangonana ady iny, dia nanohitra ny teny nomeko hanamasinana Ahy teo imasony, ny amin’ny momba ny rano, dia ny ranon’i Meribà, any Kadesy, any an’efitra Sina.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa tsy nankatò ny didiko ianareo mirahalahy tany an-taniefitr’i Tsina, raha nila ady tamiko ny fiangonana; tsy naneho ny fahamasinako teo anatrehany manko ianareo, fony nitaky rano tamiko izy. Ny amin’ny ranon’i Meribà tany Kadesy, tao an-taniefitr’i Tsina, no lazaina etoana.
Malagasy Bible 1865
fa nandà ny teniko ianareo tany an-efitra Zina, tamin'ilay nilan'ny fiangonana ady, ka tsy nanamasina Ahy teo amin'ny rano teo imasony. (Izany no ranon'i Meriba any Kadesy any an-efitra Zina.)
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
fa nandà ny teniko ianareo tany an-efitra Zina, tamin'ilay nilan'ny fiangonana ady, ka tsy nanamasina Ahy teo amin'ny rano teo imasony. (Izany no ranon'i Meriba any Kadesy any an-efitra Zina.)