Numbers 27:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izy ireo dia nitsangana teo anatrehan’i Mosesy sy teo anatrehan’i Eleazara mpisorona ary teo anatrehan’ireo lohan’ny fiangonana sy ny fiangonana manontolo, teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ka niteny hoe:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Teo anatrehan’i Môizy sy i Eleazara mpisorona, ary ny lohan’ny fiangonana rehetra izy ireo; teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana ka nanao hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niseho tamin’i Mosesy sy i Elehazara mpisorona ary ny tompon’andraikitra sy ny fiangonana manontolo teo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana izy ireo, ka nanao hoe:
Malagasy Bible 1865
dia nitsangana teo anatrehan'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan'ny fiangonana sy ny fiangonana rehetra, teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy ka nanao hoe:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izy ireo dia nitsangana teo anatrehan’i Mosesy sy teo anatrehan’i Eleazara mpisorona ary teo anatrehan’ireo lohan’ny fiangonana sy ny fiangonana manontolo, teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana* ka niteny hoe:
malagasy
dia nitsangana teo anatrehan'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan'ny fiangonana sy ny fiangonana rehetra, teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana izy ka nanao hoe: