Numbers 27:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hijoro eo anatrehan’i Eleazara mpisorona, izay hanadina amin’ny fitsaran’ny Orima eo anatrehan’NY TOMPO ho azy, izy; araka ny teniny no hivoahany ary araka ny teniny no hidirany, dia izy sy ny Zanak’Israely rehetra miaraka aminy, dia ny fiangonana manontolo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izy hankeo anatrehan’i Eleazara mpisorona izay hanadina amin’ny fitsaràn’ny Orima ho azy, eo anatrehan’i Iaveh, ka araka ny teniny no hivoahan’i Jôsoe, araka ny teniny no hidirany, dia i Jôsoe, ny zanak’i Israely rehetra miaraka aminy, ary ny fiangonana rehetra. Hitarika azy hivoaka sy hiditra, hitondra sy hifehy azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izy kosa hiseho eo amin’i Elehazara mpisorona, izay hangataka ho azy eo anatrehako ny tinapaky ny Orima. Avy amin’izany no hitarihany ny Israelita rehetra, dia ny fiangonana manontolo, amin’ny toe-javatra rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ary Josoa hijanona eo anatrehan'i Eleazara mpisorona, izay hanadina amin'ny fitsaran'i Orima eo anatrehan'i Jehovah ho azy; araka ny teniny no hivoahany, ary araka ny teniny no hidirany, dia izy sy ny Zanak'Isiraely rehetra, dia ny fiangonana rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hijoro eo anatrehan’i Eleazara mpisorona, izay hanadina amin’ny fitsaran’ny Orima eo anatrehan’NY TOMPO ho azy, izy; araka ny teniny no hivoahany ary araka ny teniny no hidirany, dia izy sy ny Zanak’Israely rehetra miaraka aminy, dia ny fiangonana manontolo.
malagasy