Numbers 27:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny rainay dia maty tany an-tany efitra, kanefa tsy mba isan’ny antokon’i Kora izay niangona hikomy tamin’NY TOMPO akory; fa ny fahotan’izy tenany no nahafaty azy, ary tsy nanan-janakalahy izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Maty tany an’efitra ny rainay; izy tsy mba anatin’ilay antokony, izay niray tetika hiodina amin’i Iaveh, dia ny antokon’i Kôre, fa maty noho ny fahotany izy, ary tsy mba nanan-janakalahy izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Maty tany an-taniefitra ny rainay, nefa tsy mba isan’ny tarik’i Kôra izay niara-nioko hiodina tamin’ny TOMPO; fa matin’ny fahotany ihany izy, nefa tsy nanan-janakalahy.
Malagasy Bible 1865
Ny rainay dia maty tany an-efitra, kanefa tsy mba isan'ny antokon'i Kora izay niangona hiodina tamin'i Jehovah tsy akory; fa matin'ny fahotany ihany izy, nefa tsy nanan-janakalahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny rainay dia maty tany an-tany efitra, kanefa tsy mba isan’ny antokon’i Kora izay niangona hikomy tamin’NY TOMPO akory; fa ny fahotan’izy tenany no nahafaty azy, ary tsy nanan-janakalahy izy.
malagasy
Ny rainay dia maty tany an-efitra, kanefa tsy mba isan'ny antokon'i Kora izay niangona hiodina tamin'i Jehovah tsy akory; fa matin'ny fahotany ihany izy, nefa tsy nanan-janakalahy.