Numbers 27:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nahoana ny rainay no ho maty maso eo amin’ny fianakaviany na dia tsy nanan-janakalahy aza izy? Mba omeo zaratany eo amin’ny rahalahin’ny rainay izahay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka raha saingy tsy nanan-janaka lahy izy, nahoana no dia hovonoina tsy ho eo amin’ny fokony ny anaran’ny rainay? Mba omeo zaratany eo amin’ny rahalahin-drainay izahay.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa rariny ve raha ho very anarana eo amin’ny tarika misy azy ny rainay, na dia tsy mba nanan-janakalahy aza? Mba omeo zaratany ho fanananay àry izahay tahaka ny natao ho an’ny ireo rahalahin-drainay!
Malagasy Bible 1865
Nahoana ny rainay no ho fati-maso eo amin'ny fokony, na dia tsy nanan-janakalahy aza izy? mba omeo zara-tany eo amin'ny rahalahin'ny rainay izahay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nahoana ny rainay no ho maty maso eo amin’ny fianakaviany na dia tsy nanan-janakalahy aza izy? Mba omeo zaratany eo amin’ny rahalahin’ny rainay izahay.
malagasy
Nahoana ny rainay no ho fati-maso eo amin'ny fokony, na dia tsy nanan-janakalahy aza izy? mba omeo zara-tany eo amin'ny rahalahin'ny rainay izahay.