Numbers 28:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no hatolotrareo ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO amin’ny voaloham-bolanareo: Vantotra ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Amin’ny voaloham-bolanareo, ny haterinareo ho sorona dorana ho an’i Iaveh dia vantotr’ombalahy roa, ondralahy iray, zanak’ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Amin’ny andro voalohany isam-bolana, dia ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema no hatolotra ho sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary izao no atero amin'ny voaloham-bolanareo ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito, izay iray taona sady tsy misy kilema,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no hatolotrareo ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO amin’ny voaloham-bolanareo: Vantotra ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,
malagasy
Ary izao no atero amin'ny voaloham-bolanareo ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito, izay iray taona sady tsy misy kilema,