Numbers 28:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
koba tsara toto ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ampombaina ny zanak’ondry tsirairay; ho fanatitra dorana manontolo izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary lafarina tsara indrindra iray ampahafolony, voadity tamin’ny diloilo, hatao fanatitra amin’ny isan-janak’ondry iray; sorona dorana ho hanitra ankasitrahina izany, dia sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary lafarinina telo kilao isan-janak’ondry. Sorona dorana manontolo hanetona ho hanitra hankasitrahin’ny TOMPO izany.
Malagasy Bible 1865
ary koba tsara toto ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin'ny isan-janak'ondry iray; ho fanatitra dorana izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
koba tsara toto ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ampombaina ny zanak’ondry tsirairay; ho fanatitra dorana manontolo izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.
malagasy