Numbers 28:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny fanatitra aidina ampombaina izany dia divay antsasaky ny hina, ho amin’ny vantotra ombilahy iray, ampahatelon’ny hina, ho amin’ny ondrilahy iray ary ampahefatry ny hina, ho amin’ny zanak’ondry iray. Izany no fanatitra dorana manontolo isam-bolana, araka ireo volana amin’ny taona,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny fanatitra araraka momba izany, dia divay antsasaky ny hina, amin’ny isam-bantotr’ombalahy iray, ampahatelon’ny hina, amin’ny isan’ondralahy iray, ary ampahefatry ny hina amin’ny isan-janak’ondry iray. Izany no sorona dorana isaky ny voaloham-bolana, dia isam-bolana, amin’ny volana mandritra ny taona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny fanatitra araraka momba izany kosa dia divay telo litatra isan’ombilahy, divay roa litatra isan’ondrilahy ary iray litatra sy tapany isan-janak’ondry. Izany no sorona hatao isaky ny andro voalohan’ny volana, amin’ny volana rehetra mandritra ny taona.
Malagasy Bible 1865
Ary ny fanatitra aidina momba izany dia divay antsasaky ny hina amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, ary ampahatelon'ny hina ho amin'ny isan-ondrilahy iray, ary ampahefatry ny hina ho amin'ny isan-janak'ondry iray. Izany no fanatitra dorana amin'ny isam-bolana, araka ny volana amin'ny taona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny fanatitra aidina ampombaina izany dia divay antsasaky ny hina*, ho amin’ny vantotra ombilahy iray, ampahatelon’ny hina, ho amin’ny ondrilahy iray ary ampahefatry ny hina, ho amin’ny zanak’ondry iray. Izany no fanatitra dorana manontolo isam-bolana, araka ireo volana amin’ny taona,
malagasy
Ary ny fanatitra aidina momba izany dia divay antsasaky ny hina amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, ary ampahatelon'ny hina ho amin'ny isan-ondrilahy iray, ary ampahefatry ny hina ho amin'ny isan-janak'ondry iray. Izany no fanatitra dorana amin'ny isam-bolana, araka ny volana amin'ny taona.