Numbers 28:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary osilahy iray koa dia hatao fanatitra noho ny ota ho an’NY TOMPO; ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, no hanolorana azy sy ny fanatitra aidina ampombaina azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary osilahy iray koa no haterina ho sorona noho ny ota ho an’i Iaveh, manampy ny sorona dorana tsy tapaka sy ny fanatitra araraka momba azy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hanolotra osilahy iray koa ho an’ny TOMPO ianareo ho sorona fanalana ny ota, ho fanampin’ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan’andro sy ny fanatitra divay momba azy.
Malagasy Bible 1865
Ary osilahy iray koa hatao fanatitra noho ny ota ho an'i Jehovah; ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary osilahy iray koa dia hatao fanatitra noho ny ota ho an’NY TOMPO; ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, no hanolorana azy sy ny fanatitra aidina ampombaina azy.
malagasy
Ary osilahy iray koa hatao fanatitra noho ny ota ho an'i Jehovah; ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba azy.