Numbers 28:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
mba hanome didy ny Zanak’Israely hoe: Ny fanatitra ho Ahy, dia ny haniko, izay fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Ahy, dia aoka hotandremanareo ny hanolorana izany ho Ahy amin’ny fotoanany avy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ento amin’ny zanak’i Israely izao didy izao, ka lazao aminy hoe: Tandremo ny fanaterana ara-potoana voafetra ny fanatitra ho Ahy, dia ny fahana ho ahy amin’ny sorona atao amin’ny afo izay mani-pofona amiko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Aoka hotandremanareo ny hanolotra ho an’ny TOMPO, amin’ny fotoana voafetra, ireo fanatitra ho Azy, dia ny sakafo izay hodorana ka hanetona ho hanitra ankasitrahiny.
Malagasy Bible 1865
Mandidia ny Zanak'Isiraely hoe: Ny fanatitra ho Ahy, dia ny haniko, izay fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Ahy, dia aoka hotandremanareo ny hanaterana izany ho Ahy amin'ny fotoany avy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
mba hanome didy ny Zanak’Israely hoe: Ny fanatitra ho Ahy, dia ny haniko, izay fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Ahy, dia aoka hotandremanareo ny hanolorana izany ho Ahy amin’ny fotoanany avy.
malagasy