Numbers 28:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Araka ireo no hanoloranareo isanandro, mandritra ny fito andro, ho hanina levonina amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO; ho fanampin’ny fanatitra dorana mandrakariva manontolo no hanolorana izany sy ny fanatitra aidina ampombaina azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Isan’andro mandritra ny hafitoana no hanaovanareo izany; izany no fahana amin’ny sorona atao amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh. Hataonareo izany, ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin’ny fanatitra araraka momba azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Isan’andro mandritra ny herinandro no hanaovanareo izany ho an’ny TOMPO, dia sakafo dorana hanetona ho hanitra hankasitrahiny ho fanampin’ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan’andro sy ny fanatitra divay momba azy.
Malagasy Bible 1865
Araka izany no hanateranareo isan'andro amin'ny hafitoana, ho hanina ho an'i Jehovah, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Azy; ho fanampin'ny fanatitra dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Araka ireo no hanoloranareo isanandro, mandritra ny fito andro, ho hanina levonina amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO; ho fanampin’ny fanatitra dorana mandrakariva manontolo no hanolorana izany sy ny fanatitra aidina ampombaina azy.
malagasy