Numbers 28:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’ny andro fanaterana ny voaloham-bokatra, raha manolotra fanatitra vaovao avy amin’ny zavamaniry ho an’NY TOMPO ianareo amin’ny fetin’ireo Herinandronareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao raharaha mavesatra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Amin’ny andron’ny voaloham-bokatra, rehefa hanolotra fanatitra avy amin’ny vokatra vaovao ho an’i Iaveh ianareo, amin’ny fetin’ny Herinandro hataonareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Amin’ny andro Pentekôsta, rehefa mitondra ny fanatitra voamaina vaovao ho an’ny TOMPO ianareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro ianareo.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'ny andro fanaterana ny voaloham-bokatra, raha manatitra fanatitra hohanina vaovao ho an'i Jehovah ianareo, rehefa afaka ireo herinandronareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’ny andro fanaterana ny voaloham-bokatra, raha manolotra fanatitra vaovao avy amin’ny zavamaniry ho an’NY TOMPO ianareo amin’ny fetin’ireo Herinandronareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao raharaha mavesatra.
malagasy