Numbers 28:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny zanak’ondry faharoa kosa dia hatolotrao amin’ny hariva milenti-masoandro; fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy fanatitra aidina, tahaka ny atao amin’ny fanatitra maraina no hampombainao azy, ho fanatitra levonina amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny zanak’ondry iray haterina amin’ny àty takariva; hataonao toy ny nanaovana ny fanatitra tamin’ny maraina, mbamin’ny fanatitra araraka momba azy. Sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra mahafinaritra amin’i Iaveh.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny zanak’ondry faharoa kosa dia hatolotra ho an’ny TOMPO amin’ny hariva, ka hampiarahina amin’ireo fanatitra lafarinina sy divay toy ny tamin’ny maraina; ho sakafo dorana ho an’ny TOMPO izany ka hanetona ho hanitra hankasitrahiny.
Malagasy Bible 1865
Ary ny zanak'ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin'ny fanatitra maraina no hampombainao azy ho fanatitra atao amin'ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny zanak’ondry faharoa kosa dia hatolotrao amin’ny hariva milenti-masoandro; fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy fanatitra aidina, tahaka ny atao amin’ny fanatitra maraina no hampombainao azy, ho fanatitra levonina amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO.
malagasy