Numbers 28:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’ny andro Sabata kosa dia izao no hatolotrao: Zanak’ondry roa, izay iray taona avy sady tsy misy kilema, miampy koba tsara toto roa ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry; ampombaina azy ireo ny fanatitra aidina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Amin’ny andro sabata kosa, dia zanak’ondry roa, efa iray taona, tsy misy kilema, no haterinao, ary lafarina tsara indrindra roa ampahafolony, voadity tamin’ny diloilo, hatao fanatitra, mbamin’ny fanatitra araraka momba azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Amin’ny andro sabata kosa dia izao no hatolotra: zanak’ondry roa izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema sy lafarinina tsara toto enina kilao nofetaina tamin’ny menaka mbamin’ny fanatitra divay momba azy.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'ny andro Sabata kosa dia izao no atero: zanak'ondry roa izay iray taona'sady tsy misy kilema, ary koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary ny fanatitra aidina momba azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’ny andro Sabata kosa dia izao no hatolotrao: Zanak’ondry roa, izay iray taona avy sady tsy misy kilema, miampy koba tsara toto roa ampahafolon’ny efaha*, voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry; ampombaina azy ireo ny fanatitra aidina.
malagasy
Ary amin'ny andro Sabata kosa dia izao no atero: zanak'ondry roa izay iray taona'sady tsy misy kilema, ary koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary ny fanatitra aidina momba azy.