Numbers 29:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota; ho fanampin’ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana, ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy ary ny fanatitra aidina ampombaina azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary osy lahy iray ho sorona noho ny ota; fa tsy hajanona anefa ny sorom-panonerana sy ny sorona dorana tsy tapaka sy ny fanatitra momba azy, mbamin’ny fanatitra araraka momba azy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hanatitra osilahy iray koa ianareo ho sorona fanalana ny ota. Hataonareo izany rehetra izany ho fanampin’ny sorona noho ny andro lehibe famelan-keloka sy ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan’andro ary ny fanatitra divay momba azy.
Malagasy Bible 1865
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana sy ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota; ho fanampin’ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana, ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy ary ny fanatitra aidina ampombaina azy.
malagasy