Numbers 29:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’ny andro fahadimy amby folo amin’ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; koa aza manao raharaha mavesatra fa mitandrema ny andro firavoravoana ho an’NY TOMPO mandritra ny hafitoana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’ny andro faha 15n’ny volana fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo, tsy hanao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona ianareo. Hanao fety fankalazana an’i Iaveh mandritra ny hafitoana ianareo,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ny andro faha-15 amin’ny volana fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanao andavanandro ianareo. Hanao fetim-piravoravoana ho voninahitry ny TOMPO mandritra ny herinandro ianareo.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory, fa mitandrema ny andro firavoravoana hafitoana ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory, fa mitandrema ny andro firavoravoana hafitoana ho an'i Jehovah.