Numbers 29:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no hatolotrareo ho fanatitra dorana manontolo, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO: Vantotra ombilahy telo amby folo sy ondrilahy roa ary zanak’ondry efatra amby folo, izay iray taona avy, sady tsy misy kilema izy ireo;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
hanatitra sorona dorana, sorona atao amin’ny afo ho hanitra mahafinaritra ho an’i Iaveh, dia vantotr’ombalahy 13, ondralahy roa, zanak’ondry 14, efa iray taona, tsy misy kilema;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’ny andro voalohany, ny hatolotrareo ho sorona dorana manontolo ka hanetona ho hanitra hankasitrahin’ny TOMPO, dia izao: ombilahy 13 sy ondrilahy roa ary zanak’ondry 14 izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema.
Malagasy Bible 1865
Ary izao no atero ho fanatitra dorana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy telo ambin'ny folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona avy sady tsy misy kilema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no hatolotrareo ho fanatitra dorana manontolo, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO: Vantotra ombilahy telo amby folo sy ondrilahy roa ary zanak’ondry efatra amby folo, izay iray taona avy, sady tsy misy kilema izy ireo;
malagasy