Numbers 29:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy dia koba tsara toto telo ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo, ampombaina ny ombilahy tsirairay, dia ireo vantotra ombilahy telo amby folo; roa ampahafolon’ny efaha no ampombaina ny ondrilahy tsirairay, dia ny ondrilahy roa;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary ny atao fanatitra momba azy dia lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo, telo ampahafolony amin’ny ombalahy 13 tsirairay avy, roa ampahafolony amin’ny ondralahy roa tsirairay avy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny biby tsirairay dia hampiarahina amin’ny lafarinina nofetaina tamin’ny menaka, ka lafarinina sivy kilao isan’ombilahy, enina kilao isan’ondrilahy
Malagasy Bible 1865
ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha amin'ny isam-bantotr'ombilahy, dia ny vantotr'ombilahy telo ambin'ny folo, ary roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy, dia ny ondrilahy roa
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy dia koba tsara toto telo ampahafolon’ny efaha*, voaharo diloilo, ampombaina ny ombilahy tsirairay, dia ireo vantotra ombilahy telo amby folo; roa ampahafolon’ny efaha no ampombaina ny ondrilahy tsirairay, dia ny ondrilahy roa;
malagasy
ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon'ny efaha amin'ny isam-bantotr'ombilahy, dia ny vantotr'ombilahy telo ambin'ny folo, ary roa ampahafolon'ny efaha amin'ny isan-ondrilahy, dia ny ondrilahy roa