Numbers 29:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’ny andro faharoa indray, vantotra ombilahy roa amby folo sy ondrilahy roa ary zanak’ondry efatra amby folo, izay iray taona, sady tsy misy kilema;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’ny andro faharoa manatera vantotr’ombalahy 12, ondralahy roa, zanak’ondry 14, efa iray taona, tsy misy kilema,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Amin’ny andro faharoa ka hatramin’ny andro fahafito dia biby tsy misy kilema no hatolotrareo ho sorona dorana miaraka amin’ireo fanatitra mahazatra ho fanampin’ny sorona dorana isa-maraina. Ireto avy izany: amin’ny andro faharoa, dia ombilahy 12 sy ondrilahy roa sy zanak’ondry 14 izay samy herintaona avy, ary koa osilahy iray; amin’ny andro fahatelo, dia ombilahy 11 sy ondrilahy roa sy zanak’ondry 14 izay samy herintaona avy, ary koa osilahy iray; amin’ny andro fahefatra, dia ombilahy folo sy ondrilahy roa sy zanak’ondry 14 izay samy herintaona avy, ary koa osilahy iray; amin’ny andro fahadimy, dia ombilahy sivy sy ondrilahy roa sy zanak’ondry 14 izay samy herintaona avy, ary koa osilahy iray; amin’ny andro fahenina, dia ombilahy valo sy ondrilahy roa, sy zanak’ondry 14 izay samy herintaona avy, ary koa osilahy iray; amin’ny andro fahafito, dia ombilahy fito sy ondrilahy roa sy zanak’ondry 14 izay samy herintaona avy, ary koa osilahy iray.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'ny andro faharoa koa dia vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’ny andro faharoa indray, vantotra ombilahy roa amby folo sy ondrilahy roa ary zanak’ondry efatra amby folo, izay iray taona, sady tsy misy kilema;
malagasy
Ary amin'ny andro faharoa koa dia vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo sy ondrilahy roa ary zanak'ondry efatra ambin'ny folo, izay iray taona sady tsy misy kilema,