Numbers 29:36 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao kosa no atolory ho fanatitra dorana manontolo, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO: Vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito, izay iray taona avy, sady tsy misy kilema,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hanatitra sorona dorana anankiray ianareo, sorona anankiray atao amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh, dia ombalahy iray, ondralahy iray, zanak’ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema,
Malagasy Bible 1865
Ary izao no atero ho fanatitra odorana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah: vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak'ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao kosa no atolory ho fanatitra dorana manontolo, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO: Vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito, izay iray taona avy, sady tsy misy kilema,
malagasy