Numbers 29:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ho fanampin’ny fanatitra dorana manontolo noho ny voaloham-bolana, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy, ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy ary ny fanatitra aidina ampombaina azy, araka ny fanao aminy, ho hanitra ankasitrahana; fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hataonareo izany ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana isam-bolana, mbamin’ny fanatitra momba azy, ary ny fanatitra araraka momba azy araka ny fitsipika voadidy. Sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hataonareo izany ho fanampin’ny sorona dorana manontolo isan’andro sy ny sorona dorana manontolo isaky ny andro voalohan’ny volana miaraka amin’ny fanatitra lafarinina sy divay momba azy; ho sakafo dorana ho an’ny TOMPO izany ka hanetona ho hanitra hankasitrahiny.
Malagasy Bible 1865
ho fanampin'ny fanatitra dorana noho ny voaloham-bolana sy ny fanatitra ho hanina momba azy ary ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, araka ny fanaony, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ho fanampin’ny fanatitra dorana manontolo noho ny voaloham-bolana, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy, ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy ary ny fanatitra aidina ampombaina azy, araka ny fanao aminy, ho hanitra ankasitrahana; fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izany.
malagasy