Numbers 3:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny anjara raharahany dia ny vata misy ny Vavolombelona, ny latabatra, ny fitoeran-jiro, ny alitara roa sy ireo fanaky ny fitoerana masina, izay ampiasaina amin’ny fanompoam-pivavahana, ary koa ny varavarana lamba mbamin’izay zavatra rehetra momba azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny anjara raharahany dia fiambenana ny fiara, ny latabatra, ny fanaovan-jiro, ny ôtely, ny fanaky ny fitoerana masina, izay fanaovana fanompoana, ny varavarana lamba mbamin’ny fanaovan-draharaha rehetra momba azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny Kehatita no miandraikitra ny Vatamasina, ny latabatra masina, ny fitoeran-jiro sy ny alitara roa ary ny fanaky ny Toeramasina izay fanaovana fanompoam-pivavahana, ary ny varavarana lamba. Nisahana ny fikarakarana rehetra momba ireny ny Kehatita.
Malagasy Bible 1865
Ary ny anjara-raharahany dia ny fiara sy ny latabatra sy ny fanaovan-jiro sy ny alitara roa, ary ny fanaky ny fitoerana masina, izay fanaovana fanompoam-pivavahana, ary ny varavarana lamba mbamin'ny zavatra rehetra fanaovana ny fanompoana momba azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny anjara raharahany dia ny vata misy ny Vavolombelona, ny latabatra, ny fitoeran-jiro, ny alitara roa sy ireo fanaky ny fitoerana masina, izay ampiasaina amin’ny fanompoam-pivavahana, ary koa ny varavarana lamba mbamin’izay zavatra rehetra momba azy.
malagasy