Numbers 3:36 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny anjara raharahan’ny zanak’i Merary dia ny hazo fisaka amin’ny tabernakely, ny barany, ny andriny, ny faladiany ary ny fanaka rehetra momba azy mbamin’ny zavatra rehetra momba azy,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Napetraka tamin’ny zanaka lahin’i Merarỳ ny fitandremana amam-pikarakarana ny hazo fisaka amin’ny Fonenana, ny barany, ny andriny mbamin’ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy, mbamin’ny zavatra rehetra ilaina aminy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny Merarita no miandraikitra ny hazo fisaka amin’ny Tranolay; ny barany, ny andriny mbamin’ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy. Nisahana ny fikarakarana rehetra momba ireny ny Merarita.
Malagasy Bible 1865
Ary ny anjara-raharahan'ny zanak'i Merary dia ny zana-kazo amin'ny tabernakely sy ny barany sy ny andriny ary ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy, sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny anjara raharahan’ny zanak’i Merary dia ny hazo fisaka amin’ny tabernakely, ny barany, ny andriny, ny faladiany ary ny fanaka rehetra momba azy mbamin’ny zavatra rehetra momba azy,
malagasy