Numbers 3:38 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny hitoby eo anoloan’ny tabernakely, eo atsinanany, izany hoe eo anoloan’ny tranolay fihaonana, tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro, dia i Mosesy sy i Arona ary ireo zanany, izay mpitandrina ny anjara raharaha momba ny fitoerana masina, dia ny anjara raharahan’ny Zanak’Israely; fa raha olon-kafa no manakaiky dia hovonoina izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Môizy sy i Aarôna mbamin’ny zanany no nitoby eo anoloan’ny Fonenana, eo atsinanana, eo anatrehan’ny trano lay fihaonana, amin’ny lafiny iposahan’ny masoandro; izy ireo no niadidy ny fiambenana ny fitoerana masina, araka izay tokony hotandreman’ny zanak’i Israely rehetra; fa raha olon-kafa no manakaiky eo, dia tsy maintsy hohelohin-ko faty.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Mosesy sy i Aharôna ary ny zanakalahin’i Aharôna dia nitoby teo anoloana atsinanan’ny Tranolay fihaonana eo amin’ny fiposahan’ny masoandro. Izy ireo no miandraikitra ny fiambenana ny Toeramasina amin’ny anaran’ny Israelita. Izay tsy mpisorona mitady hanatona eo dia hatao maty.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mitoby eo anoloan'ny tabernakely atsinanany, dia eo anoloan'ny trano-lay fihaonana, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro, dia Mosesy sy Arona ary ny zanany, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina, dia ny anjara-raharahan'ny Zanak'Isiraely; ary raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny hitoby eo anoloan’ny tabernakely, eo atsinanany, izany hoe eo anoloan’ny tranolay fihaonana, tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro, dia i Mosesy sy i Arona ary ireo zanany, izay mpitandrina ny anjara raharaha momba ny fitoerana masina, dia ny anjara raharahan’ny Zanak’Israely; fa raha olon-kafa no manakaiky dia hovonoina izy.
malagasy