Numbers 3:39 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny tontalin’izay voaisa avy tamin’ny levita, dia izay nisain’i Mosesy sy i Arona araka ny didin’NY TOMPO, avy tamin’ny fianakaviany, ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra, dia roa arivo sy roa alina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nisy 22.000 no totalin’ny Levita voaisa tamin’ny fanisana nataon’i Môizy, araka ny nandidian’i Iaveh azy, dia ny lehilahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra, araka ny fianakaviany avy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny fitambaran’ny lehilahy levita rehetra feno iray volana no ho miakatra, nisain’i Mosesy sy i Aharôna isan-tarika araka ny didin’ny TOMPO, dia nahatratra 22 000.
Malagasy Bible 1865
Ny tontalin'izay nalamina avy tamin'ny Levita, dia izay nalamin'i Mosesy sy Arona araka ny didin'i Jehovah, avy tamin'ny fokony, ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra, dia roa arivo amby roa alina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny tontalin’izay voaisa avy tamin’ny levita, dia izay nisain’i Mosesy sy i Arona araka ny didin’NY TOMPO, avy tamin’ny fianakaviany, ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra, dia roa arivo sy roa alina.
malagasy