Numbers 3:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Maty teo anatrehan’NY TOMPO i Nadaba sy i Abiho tamin’izy ireo nanatitra afo tsy izy teo anatrehan’NY TOMPO tany amin’ny tany efitr’i Sinay, sady samy tsy nanan-janaka izy mirahalahy. Koa i Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana teo anatrehan’i Arona rainy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Nabada sy i Abiò dia maty teo anatrehan’i Iaveh tamin’izy nanatitra afo hafa teo anatrehan’i Iaveh tany an’efitra Sinaia: tsy nanan-janaka izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Maty teo anatrehan’ny TOMPO anefa i Nadaba sy Abihò fony nandoro vovo-javamanitra tsy sahaza Azy tany an-taniefitr’i Sinay. Samy tsy niteraka izy mirahalahy, koa dia i Elehazara sy i Itamara ihany no sisa nanao ny fisoronana teo anatrehan’i Aharôna rainy.
Malagasy Bible 1865
Fa maty teo anatrehan'i Jehovah Nadaba sy Abiho tamin'izy nanatitra afo tsy izy teo anatrehan'i Jehovah tany an-efitr'i Sinay, sady samy tsy nanan-janaka izy mirahalahy; ary Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana teo anatrehan'i Arona rainy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Maty teo anatrehan’NY TOMPO i Nadaba sy i Abiho tamin’izy ireo nanatitra afo tsy izy teo anatrehan’NY TOMPO tany amin’ny tany efitr’i Sinay, sady samy tsy nanan-janaka izy mirahalahy. Koa i Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana teo anatrehan’i Arona rainy.
malagasy