Numbers 3:41 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Alao ho Ahy ny levita ho solon’ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Zanak’Israely. Izaho no TOMPO. Ny biby fiompin’ny levita dia ho solon’ny voalohan-teraka rehetra amin’ny biby fiompin’ny Zanak’Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia ny Levita no alainao ho Ahy, fa Izaho no Iaveh, dia ho solon’ny lahy matoan’ny zanak’i Israely rehetra izy; ary ny biby fiompin’ny Levita, ho solon’ny voalohan-teraka rehetra amin’ny biby fiompin’ny zanak’i Israely.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hatokanao ho Ahy ny Levita ho solon’ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Israelita fa Izaho no TOMPO; dia tahaka izany koa, ny biby fiompin’ny Levita no ho solon’ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra eo amin’ny Israelita.
Malagasy Bible 1865
Ary alao ho Ahy ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely: Izaho no Jehovah; ary ny biby fiompin'ny Levita ho solon'ny voalohan-teraka rehetra amin'ny biby fiompin'ny Zanak'Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Alao ho Ahy ny levita* ho solon’ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Zanak’Israely. Izaho no TOMPO. Ny biby fiompin’ny levita dia ho solon’ny voalohan-teraka rehetra amin’ny biby fiompin’ny Zanak’Israely.
malagasy
Ary alao ho Ahy ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra eo amin'ny Zanak'Isiraely: Izaho no Jehovah; ary ny biby fiompin'ny Levita ho solon'ny voalohan-teraka rehetra amin'ny biby fiompin'ny Zanak'Isiraely.