Numbers 30:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka mandre ny vadiny, nefa tsy miteny azy na mandrara azy, dia manan-kery ny voadiny na izay rehetra namehezany tena.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary raha avy izay handrenesan’ny lahy izany, ka tsy miteniteny aminy izy, ary tsy laviny ny nataony, dia manan-kery ny voadiny sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha ren’ny lahy izany nefa tsy notoheriny na norarany, dia mitoetra ara-dalàna ny voady amam-pianianana rehetra nataon-dravehivavy.
Malagasy Bible 1865
ka nandre ny vadiny, nefa tsy niteny azy na nandrara azy, dia tsy afaka ny voadiny, na ny famehezana na inona na inona izay namehezany ny fanahiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka mandre ny vadiny, nefa tsy miteny azy na mandrara azy, dia manan-kery ny voadiny na izay rehetra namehezany tena.
malagasy
ka nandre ny vadiny, nefa tsy niteny azy na nandrara azy, dia tsy afaka ny voadiny, na ny famehezana na inona na inona izay namehezany ny fanahiny.