Numbers 30:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha manafoana izany kosa ny vadiny amin’ny andro andrenesany azy miteny dia tsy manan-kery izay rehetra naloaky ny vavany ho voadiny na ho famehezany tena; ny vadiny no manafoana izany ary NY TOMPO hamela ny helony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha foanan’ny lahy kosa izany amin’ny andro andrenesany azy, dia foana izay rehetra naloaky ny vavany, na voady na famehezan-tena nofoanan’ny vadiny izany, ary i Iaveh hamela azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha manafoana kosa ny lahy amin’ny andro andrenesany izany, dia tsy manan-kery ny voady amam-pianianana nataon-dravehivavy. Hamela azy ny TOMPO satria nofoanan’ny vadiny ny voady nataony.
Malagasy Bible 1865
Fa raha nahafoana izany kosa ny vadiny tamin'ny andro nandrenesany, dia afaka izay rehetra naloaky ny vavany ho voadiny na ho famehezana ny fanahiny; ny vadiny no nahafoana izany, ary Jehovah hamela ny helony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha manafoana izany kosa ny vadiny amin’ny andro andrenesany azy miteny dia tsy manan-kery izay rehetra naloaky ny vavany ho voadiny na ho famehezany tena; ny vadiny no manafoana izany ary NY TOMPO hamela ny helony.
malagasy