Numbers 30:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha tsy miteny azy hatramin’ny ampitson’iny ny lahy dia mampanan-kery ny voadin-dRavehivavy rehetra izy na izay rehetra namehezany tena; mampanan-kery ireny izy satria tsy niteny azy tamin’ny andro nandrenesany azy nivoady.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa tsy niteniteny taminy androtr’iny sy ny manaraka iny izy, dia mandraikitra ny voady rehetra sy ny famehezan-tena rehetra mahazo izy: ny tsy nitenitenenany taminy tamin’ny andro nandrenesany an’izany no nandraiketany azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha tsy manohitra an-dravehivavy kosa ny lahy hatramin’ny ampitson’ny andro nandrenesany ny voady amam-pianianany, dia mampanan-kery izany. Ny tsy nanoherany an-dravehivavy tamin’ny andro nandrenesany no mampanan-kery izany.
Malagasy Bible 1865
Fa raha tsy niteny azy akory tamin'ny an-davan'andro ny lahy, dia tsy hahafaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny tenany, izy; tsy mahafaka izany izy, satria tsy niteny azy tamin'ny andro nandrenesany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha tsy miteny azy hatramin’ny ampitson’iny ny lahy dia mampanan-kery ny voadin-dRavehivavy rehetra izy na izay rehetra namehezany tena; mampanan-kery ireny izy satria tsy niteny azy tamin’ny andro nandrenesany azy nivoady.
malagasy