Numbers 30:17 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireo no fitsipika nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny amin’ny lehilahy sy ny vadiny ary ny amin’ny ray sy ny zanany vavy, raha mbola zaza ao an-tranon’ny rainy Razazavavy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izany no lalàna nandidian’i Iaveh an’i Môizy ny amin’ny lehilahy sy ny vadiny, ary ny amin’ny ray sy ny zanany vavy, raha mbola zaza an-trano ao amin-drainy izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ireo no lalàna izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy momba ny voady ataon’ny vehivavy manambady na koa ataon’ny tovovavy mbola mipetraka ao an-tranon-drainy.»
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireo no fitsipika nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny amin’ny lehilahy sy ny vadiny ary ny amin’ny ray sy ny zanany vavy, raha mbola zaza ao an-tranon’ny rainy Razazavavy.
malagasy
Ireo no lalàna izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny lehilahy sy ny vadiny, ary ny amin'ny ray sy ny zananivavy, raha mbola zaza ao an-tranon-drainy izy.