Numbers 30:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy lehilahy mifehy tena amin’ny voady amin’NY TOMPO dia tsy hamadika ny teny nataony izy fa araka izay rehetra naloaky ny vavany no hataony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no didian’i Iaveh: Raha misy lehilahy mivoady amin’i Iaveh, na manao fianianana hamehezany ny tenany, dia tsy mahazo mitsoa-teny izy: izay rehetra naloaky ny vavany hataony avokoa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha misy lehilahy mivoady amin’ny TOMPO na mianiana hifady zavatra, dia tsy hitsoaka amin’ny teniny fa tsy maintsy hanatanteraka izay fampanantenana naloaky ny vavany izy.
Malagasy Bible 1865
Raha misy lehilahy mivoady amin'i Jehovah, na mianiana hamehy ny fanahiny hifady, dia tsy hitsoa-teny izy; araka izay rehetra naloaky ny vavany no hataony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy lehilahy mifehy tena amin’ny voady amin’NY TOMPO dia tsy hamadika ny teny nataony izy fa araka izay rehetra naloaky ny vavany no hataony.
malagasy
Raha misy lehilahy mivoady amin'i Jehovah, na mianiana hamehy ny fanahiny hifady, dia tsy hitsoa-teny izy; araka izay rehetra naloaky ny vavany no hataony.