Numbers 30:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha nandrara azy ny rainy tamin’ny andro nandrenesany dia tsy manan-kery ny voadiny na izay namehezany tena; ary NY TOMPO hamela ny helony satria nandrara azy ny rainy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha mandà izany irainy amin’ny andro andrenesany an’izany, dia foana avokoa ny voady rehetra sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany, ary i Iaveh hamela azy, satria nandà izany irainy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha mandà kosa ny rainy amin’ny andro andrenesany izany, dia tsy manan-kery ny voady amam-pianianana rehetra nataony. Hamela an’ilay tovovavy ny TOMPO, satria efa nandà izany ny rainy.
Malagasy Bible 1865
Fa raha nandrara azy rainy tamin'ny andro nandrenesany, dia afaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny fanahiny; ary Jehovah hamela ny helony, satria nandrara azy rainy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha nandrara azy ny rainy tamin’ny andro nandrenesany dia tsy manan-kery ny voadiny na izay namehezany tena; ary NY TOMPO hamela ny helony satria nandrara azy ny rainy.
malagasy
Fa raha nandrara azy rainy tamin'ny andro nandrenesany, dia afaka ny voadiny, na izay famehezana namehezany ny fanahiny; ary Jehovah hamela ny helony, satria nandrara azy rainy.