Numbers 30:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
raha nandre izany ny lahy, nefa tsy niteny azy tamin’ny andro nandrenesany, dia manan-kery ny voadiny sy izay namehezany ny tenany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary ren’ny lahy izany, nefa tsy miteniteny aminy momba izany izy: amin’ny andro andrenesany an’izany, dia manan-kery ny voadiny sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha rem-badiny izany nefa tsy notoheriny, dia manan-kery ny voady amam-pianianana rehetra nataony.
Malagasy Bible 1865
ka nandre izany ny lahy, nefa tsy niteny azy tamin'ny andro nandrenesany, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana namehezany ny fanahiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
raha nandre izany ny lahy, nefa tsy niteny azy tamin’ny andro nandrenesany, dia manan-kery ny voadiny sy izay namehezany ny tenany.
malagasy
ka nandre izany ny lahy, nefa tsy niteny azy tamin'ny andro nandrenesany, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana namehezany ny fanahiny.