Numbers 30:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha nandrara azy ny vadiny tamin’ny andro nandrenesany azy niteny dia hofoanan-dRalehilahy ny voady izay noteneniny sy izay teniteny foana naloaky ny vavany ka namehezany tena; ary NY TOMPO hamela ny helony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha lavin’ny lahy kosa ny nataon-dravehivavy amin’ny andro nandrenesany an’izany, dia foana ny voady maningotra azy sy ny teny tsy voahevitra naloaky ny vavany namehezany ny tenany, ary i Iaveh hamela azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha mandà kosa ny lahy amin’ny andro andrenesany izany, dia foana avokoa ny voady sy ny fianianam-poana nataon’ny vavy; ary hamela azy ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Fa raha nandrara azy ny vadiny tamin'ny andro nandrenesany, dia hahafoana ny voadiny izay nivoadiany sy izay teniteny foana naloaky ny vavany ka namehezany ny fanahiny izy; ary Jehovah hamela ny helony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha nandrara azy ny vadiny tamin’ny andro nandrenesany azy niteny dia hofoanan-dRalehilahy ny voady izay noteneniny sy izay teniteny foana naloaky ny vavany ka namehezany tena; ary NY TOMPO hamela ny helony.
malagasy