Numbers 31:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireo ihany no nampikomy ny Zanak’Israely tamin’NY TOMPO noho ny tenin’i Balama, tamin’ilay raharahan’i Peora, ka nahazo ny fiangonan’NY TOMPO ilay areti-mandringana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ireo ihany anefa, noho ny tenin’i Balaama, no nitarika ny zanak’i Israely hivadika tamin’i Iaveh tamin’ilay raharaha tamin’i Fogôra, ka voan’ny loza tamin’izay ny fiangonan’Iaveh;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo ihany, noho ny torohevitr’i Balahama, no nahatonga ny Israelita hanao fahadisoana lehibe tamin’ny TOMPO, tamin’ilay raharahan’i Pehôra, ka niavian’ny areti-mandringana teo amin’ny fiangonan’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ireo ihany no nampahadiso ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah ny amin'i Peora, araka ny tenin'i Balama, ka nahazo ny fiangonan'i Jehovah ny areti-mandringana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireo ihany no nampikomy ny Zanak’Israely tamin’NY TOMPO noho ny tenin’i Balama, tamin’ilay raharahan’i Peora, ka nahazo ny fiangonan’NY TOMPO ilay areti-mandringana.
malagasy
Ireo ihany no nampahadiso ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah ny amin'i Peora, araka ny tenin'i Balama, ka nahazo ny fiangonan'i Jehovah ny areti-mandringana.