Numbers 31:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mitobia eo ivelan’ny toby mandritra ny hafitoana; ary izay nahafaty olona na nikasika faty dia samia manadio ny tenany amin’ny andro fahatelo sy ny andro fahafito, na ianareo, na ny olona babonareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ianareo dia mitobia any ivelan’ny toby mandritra ny hafitoana, ka izay rehetra nahafaty olona, na nikasika faty, dia samia mandio tena, amin’ny andro fahatelo sy amin’ny andro fahafito, na ianareo na ny sambotrareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mitobia any ivelan’ny toby mandritra ny fito andro ianareo, dia ianareo izay nahafaty olona na nikasi-paty, ka samia midio amin’ny andro fahatelo sy fahafito, na ny tenanareo na ny zazavavy sambo-belonareo.
Malagasy Bible 1865
Ary mitobia eo ivelan'ny toby hafitoana; ary izay nahafaty olona na nikasika faty dia samia manadio ny tenany, na ianareo, na ny sambotrareo amin'ny andro fahatelo sy ny andro fahafito.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mitobia eo ivelan’ny toby mandritra ny hafitoana; ary izay nahafaty olona na nikasika faty dia samia manadio ny tenany amin’ny andro fahatelo sy ny andro fahafito, na ianareo, na ny olona babonareo.
malagasy
Ary mitobia eo ivelan'ny toby hafitoana; ary izay nahafaty olona na nikasika faty dia samia manadio ny tenany, na ianareo, na ny sambotrareo amin'ny andro fahatelo sy ny andro fahafito.