Numbers 31:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
kanefa makà anjara ho an’NY TOMPO avy amin’ny mpanafika izay nandeha nanafika, dia iray isan-dimanjato, na olona na omby na boriky na ondry aman’osy;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny an’ny miaramila niantafika angalao iray isan-dimanjato, na olona na omby na boriky na ondry, ho anjara aloa amin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hakanao hetra ho AHY anefa ny anjaran’ireo mpiantafika, dia olona iray isaky ny olona dimanjato ary biby iray isaky ny biby dimanjato raha omby na boriky na ondry na osy izany.
Malagasy Bible 1865
kanefa makà anjara ho an'i Jehovah avy amin'ny mpanafika izay nivoaka ho any an-tafika, dia iray isan-diman-jato, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman'osy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
kanefa makà anjara ho an’NY TOMPO avy amin’ny mpanafika izay nandeha nanafika, dia iray isan-dimanjato, na olona na omby na boriky na ondry aman’osy;
malagasy
kanefa makà anjara ho an'i Jehovah avy amin'ny mpanafika izay nivoaka ho any an-tafika, dia iray isan-diman-jato, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman'osy;