Numbers 31:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niteny tamin’ny olona i Mosesy hoe: Misia aminareo mandray fiadiana ka hanafika ny Midianita mba hahatanteraka ny famalian’NY TOMPO ny Midianita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niteny tamin’ny vahoaka i Môizy nanao hoe: «Omàny hiantafika ny lehilahy sasany aminareo, ka aoka handroso hanafika an’i Madiàna izy, mba hahatanteraka ny famalian’i Iaveh an’i Madiàna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka: –Aoka hivonon-kiatrika ady ny sasany aminareo ary hanafika ny Midianita hahatanteraka ny famaizan’ny TOMPO azy.
Malagasy Bible 1865
Dia niteny tamin'ny olona Mosesy ka nanao hoe: Miomàna ho any an-tafika ny sasany aminareo, ary aoka izy hanafika ny Midianita, hahatanteraka ny famalian'i Jehovah azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niteny tamin’ny olona i Mosesy hoe: Misia aminareo mandray fiadiana ka hanafika ny Midianita mba hahatanteraka ny famalian’NY TOMPO ny Midianita.
malagasy
Dia niteny tamin'ny olona Mosesy ka nanao hoe: Miomàna ho any an-tafika ny sasany aminareo, ary aoka izy hanafika ny Midianita, hahatanteraka ny famalian'i Jehovah azy.