Numbers 31:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ilay antsasany izay an’ny Zanak’Israely kosa dia analao iray isan-dimampolo, na olona na omby na boriky na ondry aman’osy, dia ny biby fiompy rehetra ka omeo ho an’ny levita izay mitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny antsasany ho an’ny zanak’i Israely kosa, anavaho iray isan-dimampolo, na olona na omby na boriky na ondry sy biby fiompy rehetra, ka omeo an’ny Levita, izay miambina ny Fonenan’i Iaveh.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny anjaran’ny Israelita kosa dia hakanao olona iray isaky ny olona dimampolo ary biby iray isaky ny biby dimampolo raha omby na boriky na ondry na osy na koa biby hafa rehetra, ka homenao ny Levita izay miandraikitra ny fanompoana ao amin’ny Fonena-masina.
Malagasy Bible 1865
Ary ny antsasany an'ny Zanak'Isiraely kosa dia analao iray isan-dimam-polo, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman'osy, dia ny biby fiompy rehetra, ka omeo ho an'ny Levita, izay mitandrina ny anjara-raharaha momba ny tabernakelin'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ilay antsasany izay an’ny Zanak’Israely kosa dia analao iray isan-dimampolo, na olona na omby na boriky na ondry aman’osy, dia ny biby fiompy rehetra ka omeo ho an’ny levita* izay mitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin’NY TOMPO.
malagasy
Ary ny antsasany an'ny Zanak'Isiraely kosa dia analao iray isan-dimam-polo, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman'osy, dia ny biby fiompy rehetra, ka omeo ho an'ny Levita, izay mitandrina ny anjara-raharaha momba ny tabernakelin'i Jehovah.